Mandra-pahatongan’ny fiavian’ny Tompo:

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Novambra 2023

Filipiana 4:4-9

Filipiana 4:4-9
4 Mifalia* mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma] 5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. 6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. 7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. 9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

Mandra-pahatongan’ny fiavian’ny Tompo:

1-Dia mila manana saina mitony (and 4,6,7)
Asaina mifaly sy tsy hanahy na inona na inona ny Kristiana, satria izany ihany no hitan’i Paoly Apostoly ho vahaolana mahomby indrindra hiatrehana ny zava-manahirana eo amin’ ny fiainana. Ny mifaly dia fanehoana fankasitrahana izay zavatra miseho rehetra.
Toy zany koa no tokony hataontsika ka manaiky am-pifaliana izay zavatra miseho na inona na inona , na toa mampatahotra aza dia tsy atao mibahana ao an-tsaina, fa resena amin’ny anaran’i Jesoa Ilay nandresy ny fahafatesana ny fahavalo rehetra.
2-Dia isitraho ny fahasoavan’Andriamanitra efa ao aminao (and 8,9)
Paoly Apostoly dia te- hanokatra ny masom-panahin’ny Kristiana tao Filipia mba hahatsapany sy hiainany ny fahasoavan’Andriamanitra. Hoy izy « hevero izany » izay azo adika hoe : saino,diniho, fantaro ary ankasitraho an’ Andriamanitra. Tsy hitan’izao tontolo izao ny fahasoavan’ Andriamanitra, fa ny olona mino
ihany no mahalala izany. Ny fanjakan’Andriamanitra dia toy ny harena nafenina araka izay ambaran’i Jesoa ao amin ny Matio 13. 44. Izay mahita azy dia mivaro-pananana mba hahazoana azy, izany hoe : mahafoy izay mety ho fananana eto an-tany. Noho izany, ny asa fanompoana izay ataontsika kristiana dia tsy mahabotry antsika akory tahaka ny an’ny mpanompo sampy , izay tena mampahantra tokoa . Ny fanompoantsika an’i Jesoa Kristy kosa dia andraisantsika fahasoavana.
Fanontaniana:
Efa fantatrao hatramin ‘ny ela ve fa mivelona amin ‘ny fahasoavany ianao amin ‘ny maha- olony anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM