MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Aprily 2024
Isaia 50. 10-11
Isaia 50. 10-11
10 Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana*, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana] 11 He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO
Mamaly ny ataon’ny olona Andriamanitra
Lazain’i Isaia mpaminany eto fa mandeha amin’ny maizina ny olona. Tsy hevitra ara-bakiteny akory no lazaina amin’izany fa ny fanehoana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao feno faharatsiana. Jereo tsara tokoa mantsy ny zava-misy, na aiza io na aiza: ady etsy sy eroa, ny fahapotehan’ny tontolo iainana, fahapotehan’ny fiainam-pianakaviana, fahapotehan’ny fifandraisana eo amin’ny samy olona, very fanantenana amin’ny ny ho avy… Tsy izany ve no lazain’ny Soratra Masina hoe mamakivaky lohasaha aloky ny fahafatesana? Rehefa izany no zava-misy dia ambara eto fa zavatra roa no mety hataon’ny olona: na manaraka ny onjan’ny zavatra ratsy misy manodidina azy izy, na miezaka manohitra izany ka miaina amin’ny fahatsarana amin’ny lafim-piainana rehetra. Eo anatrehan’izany àry dia tsarovy fa:
Izay manao soa tsy ho very
Mandresy lahatra antsika eto ny mpaminany mba hanao zavatra tsara eo amin’ny fiainany, hanao soa araka ny maha mpanara-dia azy an’Andriamanitra satria Andriamanitra tsara dia manao zavatra tsara ka ny olona mpanara-dia Azy dia tokony hanahaka Azy ho amin’izany ihany koa. Raha ny zava-misy eo amin’ny fiainana dia hitarika ho amin’ny ratsy mandrakariva satria izay no mahazatra izao tontolo izao, kanefa eo indrindra no hitaomana ny olona ho amin’ny tsara.
Izay manao ratsy hijinja fahapotehana
Misy tenin’i Paoly manao hoe izay afafin’ny olona no hojinjainy (Gal 6. 7); koa raha misy minia manao ratsy dia tsy ho afa-maina amin’izany velively akory izy ka izany no ampitandreman’ny mpaminany eto.
Fanontaniana:
Mamaly ny olona araka ny ataony ve ny Tompo? Hazavao ny hevitrao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe