Manatenà hatrany an’i Kristy
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Novambra 2021
1 TESALONIANA 4.13-18
1 TESALONIANA 4.13-18
13 [Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. 14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] 15 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. 16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; 17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. 18 Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.Manatenà hatrany an’i Kristy
1-Fa na dia ny fodiamandry aza dia tsy toy ny fahoriana (and13)
Nametraham-panontaniana ny kristiana tap Tesalonika ny amin’ireo kristiana maromaro nodimandry . Tamin’izany indrindra no nampianaran’i Paoly azy ireo , tamin’ny alalan’ity Epistily ity , ny fanantenana kristiana miorina amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty , izay hisitrahan’ny mino Azy rehetra . Tsy fahoriana ny fodiamandry amin’ny kristiana , satria tsy manambara ny faran’ny fiainana , fa mitohy any an-danitra izany . Mangirifiry ny fisarahana amana aina , saingy noho ilay fanantenana mbola hihaona am-pifaliana indray dia tsy fahoriana faratampony ny fodiamandry .
2-Fa mbola hitsena Azy isika mbola velona amin’izany (and16-17)
Rehefa tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra i Jesoa Kristy dia ho avy amim-boninahitra lehibe tokoa , ka izay mbola velona amin’izany dia hakarina hiaraka Aminy eny amin’ny rahon’ny lanitra , hitsena Azy eny amin’ny habakabaka . Efa miomana sahady ny saintsika fa raha mbola velona amin’izany dia hitsena amim-boninahitra amin’ny fomba mahafinaritra aok’izany . Mahafinaritra ery izany . AVIA JESOA TOMPO !
Fanontaniana :
Mety azo omen-tsiny ve ireo kristiana mitomany manoloana ny fahoriana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM