Manatanteraka asa tsara ny mino

Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Aogositra 2021

EFESIANA 2.8-10

EFESIANA 2.8-10
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.

Manatanteraka asa tsara ny mino

1-Noho ny fahasoavana noraisiny

Isan’ny antony iray miavaka manosika ny mpino hanao asa tsara ny fahasoavana noraisiny avy amin’ny Tompo . « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana , ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra «  (and8) . Tsy voatanisa ireo fanomezana maimaimpoana avy amin’ny Tompo ho antsika ary tsy fantatsika akory aza ny antsipirihany amin’ireny . Tsy isika anefa no mendrika mihoatra ny noho ny hafa na nisy ezaka manokana nataontsika , fa fanapahankevitry ny Tompo madiodio araka ny voalaza hoe : « tsy avy aminareo izany « . Ny fanatanterahantsika asa tsara araka izany dia isan’ny fahaiza-mankasitraka ny Tompo.

2-Noho ny baiko azony

Voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara ny mpino (and10) . Eto no hanehoantsika ilay finoana arahina asa . Fijoroana vavolombelona amin’ny maha-kristiana antsika ny fanaovana asa tsara . Araka izany dia ny voany no hahafantarana ny hazo ka mpitari-bato vilambato , hoy ny fitenenana ary mihatsaravelatsihy izay mitonona ho kristiana nefa manatanteraka asa ratsy . Isan’ny antom-pisiantsika eto mihitsy ity fanaovana asa tsara ity araka ny fahariana.

Fanontaniana :

Tanisao ireo antony mampirisika ny mpino hanatanteraka asa tsara .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM