Manasoa sy misedra ny finoan’ny olona ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Martsa 2021

JOBA 2.1-10

JOBA 2.1-10
1 [Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah. 2 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny. 3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao. 4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy. 5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy] 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. 7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany. 8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona. 9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty. 10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.

Manasoa sy misedra ny finoan’ny olona ny Tompo

« Moa ny soa va no raisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? »

Andinin-tsoratra masina miavaka ao amin’ny Baiboly tokoa izany ary raha raisina ara-bakiteny fotsiny dia milaza indrindra fa fototry ny soa sy ny tsara rehetra mitranga amin’ny fiainan’ny olona ny Tompo Andriamanitra , nefa koa dia tena manome ny ratsy koa . Tsy iadian-kevitra mihitsy aloha fa tena fototry ny soa sy ny tsara tokoa eo amin’ny tontolom- piainan’ny olona io Andriamanitra io . Voalaza ato amin’ny bokin’i Joba fa niaro sy mitahy an’i Joba izy , manambina an’i Joba izy , manome harena be sy fiadanana ka tena inoana fa manao izany amin’ny olona mino azy rehetra sy manaiky Azy koa. Manamafy izany ny zava-nisy tamin’ny tantaram-piainan’ny Patriarka i Davida , i Solomona ary na i Paoly Apostoly aza dia niloa-bava hoe :  » fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izaho ahy » . Mampanontany tena manoloana izany hoe : manao ahoana ny mety ho faharesen-dahatry ny tsirairay fa ny fahasoavan’Andriamanitra niasa manan-kery tamin’ny olony no maha-velona aina ny olona , mahatonga ny olona hisitraka zava-tsoa maro isan-karazany eo amin’ny fiainany . Ankilan »izany anefa , lazaina eto koa hoe : manome zava-dratsy ny olona Andriamanitra . Ny tena marina dia misedra ny olona ihany Izy mba hahitany ny finoan’ny olona Azy marina hahitany ny fankatoavan’ny olona Azy tokoa hahafantarany ny faharesen-dahatry ny olona amin’ny fanarahan-dia Azy ( jereo Joba 1.11/Deo 13.2-6)

Fanontaniana :

Mino ve ianao fa fototry ny soa sy ny ratsy eo amin’ny fiainanao Andriamanitra ?. , ,