Manaraka ny toromarik’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Novambra 2023
Nomery 10:11-21
Nomery 10:11-21
11 [Ny niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i Mosesy tamin i Hobaba. Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona. 12 Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana. 13 Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy. 14 Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony. 15 Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara. 16 Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona. 17 Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely. 18 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony. 19 Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona. 20 Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada. 21 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.Manaraka ny toromarik’Andriamanitra…
«Ary tamin’ny andro faharoa-polo tamin’ny volana faharoa…. no niakaran’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakelin’ny Vavolombelona. Dia niainga tany an-efitr’i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.» (and. 11-12) Ny ahafantarana ilay toro-marika eto dia ny fiaingan’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakely. Ny rahona dia mariky ny fanatrehan’Andriamanitra izay niaraka tamin’ny tabernakely. Niainga ny zanak’Israely ary Jehovah no nialoha lalana azy, narahan’ny fokon’i Joda izay lohalaharana. Tsy nijanona ela teo amin’io toerana io ny zanak’Israely ho any amin’ny tany Kanana ka nanohy ny diany teto. Ry havana, isika no Isiraely vaovao ary isika izao no iantefan’izany, ka avelao Andriamanitra no hialoha lalana sy mpitari-dalana. Izy no mahafantatra izay toetry ny làlana mbola ho diavina, ary Izy no mifidy izay aleha, mety ho làlana misy fahoriana io, fa misy fifaliana koa fa avelao Izy hanoro izay lalana tokony alehantsika. Mety hahatsiaro hasasarana isika eny an-dalana, kanefa amin izany dia Izy no hitrotro sy handray an-tanana antsika, araka ny teniny hoe: «Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo; Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka» (Isaia 46. 4). Ny Tenin’Andriamanitra no sakafo mahavelona antsika ka raha sendra reraka an-dalana tsy afa-manohy ny dia isika, vakio ny Teniny dia mahazo hery indray ianao, dia ho tonga amin’ny tanjona kendrena hatrany.
Fanontaniana:
Mety ho vitanao ihany ve ity dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay ity? Nahoana?