Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 23 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Salamo 145.8-14
8 Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. 9 Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra. 10 Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao. 11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao, 12 Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao* Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao**. [*Heb. heriny][**Heb. fanjakany] 13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao. 14 Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Salamo 145.8-14
Mendrika hoderaina ny Tompo satria :
1-Mamindra fo sy miantra Izy (and8)
Ny hoe: mamindra fo dia azo adika hoe: tsy mampihatra ny sazy sy ny fanamelohana ho an’izay tokony ho niharan’izany . Raha ny fahotantsika , dia tokony helohina ho faty eo anatrehan’ny fitsaran’ Andriamanitra isika , saingy mbola miantra sy mamindra fo amintsika Izy ka namela ny fahadisoantsika . Ny fahafatesan’i Kristy dia fahatanterahan’ izany ho antsika .
2-Manisy soa izao rehetra izao Izy (and9)
3-Mpanjaka be voninahitra Izy (and11-13)
Miseho eny amin’ny zava-boahariny ny toetra maha- Andriamanitra Azy : ny voninahiny sy ny fanjakany, ny heriny sy ny fahefany (and11) …Raha izay lazaina ho manam-pahefana sy mpanapaka eto amin’izao tontolo izao aza omentsika voninahitra sy haja , dia aoka mba tsy ho latsa-danja noho izany ny fiderantsika ny Tompo . Izy no Mpanjaka mandrakizay sady Tompon’ny fahefana rehetra .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM