Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Salamo 97.7-12
7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra. 8 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô. 9 Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao. 10 Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy. 11 Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo. 12 Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina*.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Salamo 97.7-12
Manana hafatra ho antsika ny Tompo mpanjaka
1-Ho an’ireo izay manompo sampy (and7)
« Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy « (and7-) DIEM . Asehon’ny mpanoratra etoana fa tsy azo ampitahaina velively amin’Ilay Andriamanitra Avo indrindra ambonin’ny tany rehetra ny sampy sy ny andriamani-tsy izy izay tsinotsinona (and9). Mampalahelo fa ankehitriny dia toa miha-mahazo vahana ny fanompoan-tsampy . Ambaran’ny mpanao salamo fa ny olona mbola manompo sampy dia olona mirehareha amin’ny zava-tsinotsinona. Voararan’ny didy folo ny fanompoan-tsampy . Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy ka hiala amin’izany . Aoka kosa tsy ho menatra fa ho sahy , izay rehetra mijoro ho vavolombelon’ny Tompontsika .
2-Ho an’ireo izay tia an’i Jehovah (and10)
« ianareo izay fatra-pitia ny Tompo , mankahalà ny ratsy » (DIEM). Anarina kosa ireo izay tia sy manompo an’i Jehovah mba tsy hanao ratsy . Na dia manenjika aza ny fahavalo sy izay ta-hanisy ratsy , ny olona manao ny marina eo anatrehan’ Andriamanitra dia hamirapiratra mandrakariva ny fiainany ary izany no mitarika azy hifaly sy hidera an’ Andriamanitra . Miaro ny ain’ireo izay mivavaka Aminy ny Tompo ka manafaka azy tsy ho azon’ny fahavalo sy izay ta-hanisy ratsy . Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandrianany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM