Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Deoteronomia 29.1-8
1 Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, 2 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. 3 Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. 4 Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao. 5 Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 6 Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy. 7 Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 8 Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Deoteronomia 29.1-8
Miara-dàlana amintsika mandrakariva ny Tompo 
Mosesy dia toy ny ny fitaovana ihany teo am-pelatànan’ny Tompo mba hanehoany ny fiarahany sy ny fitarihany ny zanak’Israely amin’ny fahafenany sy ny fanapahany . Amin’izao dia efa manakaiky ny fotoana hidirana amin’ny tany nampanantenaina . Noho izany :
1-Tsarovy izay nataony ho antsika tamin’ny lasa
Ampahatsiahivin’i Mosesy izay efa nataon’ny Tompo , manomboka amin’ny tantaran’ny nanafahana ny Zanak’ Israely tamin’ny fanandevozan’i Farao (and1), ny làlan-tsarotra sy ny fisedrana nolalovana tany anefitra (and 4,5) , ny ady nifanandrinana amin’ireo firenen-kafa (and6,7)… Ireny rehetra ireny no mampiseho fa niara-dàlana tamin’ny vahoakany hatrany ny Tompo . Matetika isika no tsy mahatadidy izay efa nataon’ny Tompo tamintsika . Tsarovy àry fa tia antsika Andriamanitra ka namonjy sy nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana tamin’ny alalan’ny hazo fijalian’i Kristy . Ilaina ny mamerina sy mampahatsiahy izany mba hahatsapana ny fanatrehan’ny Tompo .
2-Miomana hiatrika ny ho avy
Ny tantara dia mampiseho fa miankina betsaka amin’ny fankatoavana na tsia ny sitrapon’ Andriamanitra ny fitahiana sy ny fanambinana ho an’ny olony . Vonona hanome fitahiana sy fanambinana ary hiantoka feno ny ho avintsika ny Tompo . Fa izay takiany kosa dia ny hanatanterahantsika ny fanekeny . « Dia tandremo ny tenin’izao fanekena izao , ka araho , mba hambinina hianareo amin’izay rehetra ataonareo » (Deo 29.8)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM