Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Levitikosy 14.1-9
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy; 3 dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka, 4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina; 5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha; 6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha. 7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona. 8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana. 9 Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Levitikosy 14.1-9
Mihevitra manokana ny marary ny Tompo 
Teo amin’Israely dia ninoan’ny ankamaroan’ny olona fa endrika isehoan’ny famaizan’ Andriamanitra ny aretina . Isan’izany ny habokana . Noheverina ho maloto ara- pivavahana ny olona voan’izany ka natokana sy tsy navela hifangaro amin’ny vahoaka . Mampalahelo fa voahilikilika sy natoka-monina ireny olona ireny . Mihevitra manokana azy ireny ny Tompo ka manome andraikitra :
1- Ny andraikitry ny mpisorona (and2-7)
Na dia tsy dokotera aza ny mpisorona dia manana andraikitra amin’ny marary mba hizaha sy hamantatra ny karazana aretina misy sy ny fivoarany . Ankinin’ny Tompo amintsika fiangonana ny fijerena manokana ireny marary izay tsy mba afaka mamonjy fotoambavaka ireny noho ny toetr’ aretiny . Ilaina izany mba hiarovana ny fiparitahan’ny aretina amin’ny manodidina . Tsarovy fa nitondra ny aretintsika tokoa Izy . (Isa 53.4) .
2-Ny andraikitry ny marary (and8,9)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM