Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Janoary 2018

 Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo 

Apokalypsy 11.15-19
15 [Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny Joza fahatelo] Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. 16 Ary ny loholona* fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra [* presbytera] 17 nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao. 18 Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany. 19 Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.

 Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Apokalypsy 11.15-19

Jesoa Kristy manam-pahefana hitsara sy hamaly fitia

1-Ny Bokin’ny Apokalypsy

Ny Bokin’ny Apokalypsy  dia midika hoe : « Fanambarana  » ny zava-misy any ankoatran’ny tazan’ny masontsika  nofo . Eto dia misy fanambarana ny zavatra efa lasa  (and15) « nisy feo mafy … ».Fisehoan-javatra tamin’ny fotoana lasa izany .Fanomezana an’i Jesoa Kristy ny fahefana rehetra (Mat 28.18) . Ambara  eto koa ny zavatra mbola ho avy , dia ny fitsarana (and18),  sy ny valimpitia mbola hitranga .

1- Hisy ny fitsarana :

Ampahafantarina antsika velona amin’izao fotoana izao fa hisy fiafarana izao  fiainana izao ary tsy maintsy mbola hiatrika izany  fitsarana izany isika tsirairay.Ny Mpitor 11.9 dia milaza fa malalaka  ny olona hanao izay mampifalifaly ny fony amin’ny fotoam-pahavelomany  saingy mampieritreritra koa ny bokin’ny Mpitoriteny fa tsy maintsy hotsaraina ny olona rehetra  amin’izay ataony .Koa  aoka hosaintsainina mandrakariva izany . « Koa amin’izany  miambena ianareo , fa tsy fantatrareo na ny andro  na ny ora » Mat 25.13 . Tsy ny fitsarana ihany anefa no ampanantenaina eto  fa ,

2-Hisy koa ny valimpitia :

Fanantenana lehibe koa no hitantsika eto amin’ity fanambarana ity dia ny hisian’ny valim-pitia ho an’ny mpanompon’ Andriamanitra , ho an’ny  olona masina rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra  (Apo 11.18). Izany no tsy mahaketraka antsika na dia toa tsy hitan’ny olona aza ny fikelezana aina  sy ny fatahorantsika an’ Andriamanitra eo amin’ny asa ataontsika sy ny toetra asehontsika . Fa Andriamanitra  dia mandrakitra ireny ao amin’ny fitehirizany ka hampiseho izany amin’ny andro farany , ary dia samy handray ny valimpitiany avy ny mpanompo mahatoky rehetra . « Ry mpanompo tsara sady mahatoky  , nahatoky tamin’ny kely ianao  dia hotendreko ho mpanapaka ny be, midira amin’ny fifalian’ny Tomponao » Matio 25.23

Fieritreritra :

Raha tonga anio ny Tompo , toe-po sy toe-panahy manao ahoana re no hitsenanao Azy ?

Sah