Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo 

Isaia 9.1-6
1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava. 2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo. 3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana. 4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany. 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] 6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Isaia 9.1-6

Manapaka hitondra fiadanana ny Tompo

1-Manapaka ny haizina Izy

Ny « maizina »  voalaza  eo  amin’ny and 1 dia ilazan’Isaia ny fahorian’ Israely , vokatry  ny hetraketraky  ny Asyriana  izay  firenena mpanjakazaka  tamin’iany . Lasan’ity   firenena lozabe    ity  ny faritany  maro , ary  tamin’ny faritra  sasany  dia nandriaka  ny rà noho ny ady , ka zary  tany aloky  ny fahafatesana  .Mampanantena  ny  Tompo  fa fiafarana  izany  , satria  tsy maintsy ho avy ny mazava . Toky mitondra fanantenana  ho  antsika  koa izany , na ho an’ny fiainantsika manokana . Asa voalohany  nataon’ Andriamanitra  ao amin’ny Gen 1.3 ny ady  amin’ny haizina . Ny teniny  no nitondra izany  :« misia mazava, dia nisy mazava « . Resy  ny haizina fa tafiditra ny mazava . Zazalahy  , taranak’i Davida no hitondra izany  (and5) .ho antsika dia i Jesoa io zaza io  , sady teny  tonga nofo  rahateo Izy  no fahazavan’izao  tontolo izao . Izy  no fanantenantsika  hampahita  antsika  mazava lehibe .

2-Handresy ny mpampahory Izy 

Milaza  fitafiana sy fitaovana  ary kojakoja manamarika ady niteraka rà mandriaka  sy tsy fandriampahalemana ny and4 . Samy hodorana sy hofoanana ireo rehetra ireo . Hofoanana ny ady , hanjaka ny fiadanana  sy ny fandriampahalemana  noho ilay zaza Andrian’ny fiadanana. Hiorina ny fanjakany ary Andriamanitra irery ihany no hiankinan’ny fahatanterahan’izany (and6b). I Jesoa no hitondra izany  ho antsika . Izy irery  no fanantenantsika amin’izao fahavoazantsika izao .

Fanontaniana:

Ahoana no hahatanteraka ny hoe: « Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara, mba hanala ny haizina  eto amintsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM