Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny  Tompo 

Jaona 1.29-34
29 Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao! [*Na: mitondra] 30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. 31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano. 32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny. 33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. 34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Jaona 1.29-34

Herin’ Andriamanitra  mamonjy  antsika i Jesoa 

1-Mpamonjy  araka ny filazan’ny Soratra masina 

Tamin’ny fotoana nihaonan’i Jaona mpanao  batisa  tamin’i Jesoa  dia notondroin’i Jaona Izy , mba ho  fantatry  ny mpianany koa: » Indro  ny Zanakondrin’ Andriamanitra  izay manaisotra  ny fahotan’izao tontolo izao « . Zanakondrin’ Andriamanitra ? Sary roa  no ambara amin’izany   ao  amin’ny Soratra masina : zanakondry  nanaiky  hijaly hamonjy   ny olona (Isaia  toko 52-53) sy ny zanakondrin’ny Paska  (Eks 12) izay  novonoina  mba hahazoana  manafaka  sy mamonjy   ny olona tamin’ny fanandevozana . Koa Mpamonjy  voalazan’ny Soratra masina i Jesoa  . Fantaro  sy diniho ny Soratra masina  dia ho fantatrao  marina  ny antom-pahatongavan’i Jesoa . Mahadiso hevitra  antsika ny tsy fahalalana  ny Soratra masina  ary atahorana   ho diso fandray  an’i Jesoa  koa isika  raha tsy  miezaka  hahalala  sy hamantatra ny Soratra masina .

2-Andriamanitra  manatona   sy  miseho amin’ny olona

« Ary i Jaona  nahita  an’i Jesoa  avy nanatona  azy » (and29). I Jesoa nanatona  an’i Jaona . Andriamanitra   manatona  nyn olona   tokoa  ny  Andriamanintsika . Miavaka  noho ny andriamanitry ny fivavahan-tsamihafa  ny an’ny kristiana , fa tsy  mba Andriamanitra tadiavina na karohina fa manatona sy manakaiky  ny olona . Tsy  mba Andriamanitra misonanina  sy mitoetra  any amin’ny toerana avo  fotsiny Izy ; ka  tsy   maintsy    mankany   vao mihaona Aminy . Amin’izany  fombany sy toetrany  izany  no hanehoany  ny heriny sy ny fahefany  ary ny maha-Izy  Azy . Fantaro  izany   mba tsy hahadiso  finoana  anao  ka hahazoanao  miteny  hoe: « Fantatro  izay inoako » 

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM