Manapaka amin’ny  fahefany ny  Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Janoary 2018

Manapaka amin'ny  fahefany ny  Tompo

Salamo 95.1-5
1 [Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika. 2 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika. 3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy. 4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.

Manapaka amin’ny  fahefany ny  Tompo

Salamo 95.1-5

Mpanjaka  lehibe ny Andriamanintsika 

1-Andeha  hifampitaona  hanome voninahitra  Azy

Ny  teny   fanombohan’ny salamo,  ity  dia ny hoe : »Avia » . Teny  manatsika sy miantso  ary mitaona  ny hafa izany  . Fanaon’ny mpivavaka  Israelita  ny  mitaona ny ankohonany  sy ny havana aman-tsakaiza hiara-mivavaka  any amin’ny Tempoly  amin’ny fotoana  hahatsapana  ny herin’ Andriamanitra   namonjy  sy nanafaka  azy  . Eo  no  miseho  ny fiantsoana  hoe: »Avia » . Raha  fantantsika  ny herin’Ilay  Andriamanintsika sy ny fahalehibiazany  , nahoana  no tsy taomina , na antsoina koa  ny ankohonantsika hidera hanompo  sy hanome voninahitra  Azy , ka hiara -mivavaka  any am-piangonana ? Misy  zanantsika  tsy voataonantsika , misy havantsika tsy  mbola nantsointsika . Andeha  isika hifampitaona  hanome voninahitra ny Tompo.

2-Andeha  haneho  fiombonana hanatona Azy 

Ny fahalehibiazan’ Andriamanitra  dia nofoanany   fa naka   ny endriky   ny  mpanompo  Izy .Amin’izay   dia Izy   no  manatona  antsika . ny tena mpivavaka  marina anefa  dia tsy  mila  vaniny  hiandry an’ Andriamanitra hanatona azy  hatrany  , fa manam-piniavana  hanatona an’ Andriamanitra   kosa  ary  mazava  ny  teny hoe: « Manatona an’Andriamanitra  dia hanatona  anareo Izy  » (Jak 4.8). Jereo  fa mendrika halain-tahaka  ny tenin’ilay  mpino  eo amin’ny and 2 hoe: « aoka  hankeo  anatrehany   amin’ny fiderana  isika ». Isika  fa tsy  olon-tokana  , na izahay   akory   aza . Isika  , dia izaho   izay   miantso  sy ianareo  no andeha hanatona  ny Tompo be voninahitra  sy hankeo  Aminy , satria  ilainy  hiombona  amin’ny fanompoana Azy isika izay mahalala  ny maha- Mpanjaka  lehibe Azy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM