Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Apokalypsy 19.11-16
11 [Ny amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. 12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. 13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra. 14 Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. 15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. 16 Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Apokalypsy 19.11-16
Mpanjaka sy Tompo tsy misy toa Azy
1-Manam-piandrianana noho ny fandreseny
Miseho amin’ny endrika sy anarana hafa i Jesoa . Mitaingina soavaly fotsy no mitafy fotsy sy madio . Misongadina ny loko fotsy . Fiandrianana sy fandresena izany amin’ny loko apokalyptika . Tsy zanakondry malemy fanahy , hovonoina hisolo heloka intsony ny Tompo amin’ny fisehoany faharoa , fa ho tonga amin’ny heriny sy ny fiandrianany . Sao ho tratra aoriana isika izay mangataka andro hiovana sy hibebahana. Ho mpitsara tsy miangatra Izy amin’izany : izay mino ka nandray ny fanamarinana avy Aminy no hovonjena , fa izay tsy mino dia hirehetan’ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.
2-Mamarana ny fahefana hafa rehetra ny fisehoany
Omena anarana maro ny Tompo eto: « mahatoky sy marina « (and11b) , ny Tenin’ Andriamanitra (and13b) , kanefa ny lehibe indrindra dia ny hoe: »Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny Tompo » (and16). Izao tontolo izao dia nivavaka tamin’ny mpanjaka (Amperora) sy niankohoka tamin’ny bibidia (Apo 13.1-4) . Izy ireo no natahorana sy nanam-pahefana fa rehefa miseho amin’ny heriny i Kristy dua foana sy mifarana ny herin’ireo mpanjaka sy tompo ireo , satria i Jeso no Mpanjaka sy Tompon’ny tompo . Ny Fiangonana no tena vatan’i Kristy . Asehoy ny herin’i Kristy ao amintsika Fiangonana dia hifarana ny hery sy fahefana mampahory sy mamitaka ny firenena . Raha tsy miseho i Kristy dia toa manjaka ny « bibidia ».
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM