Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny  Tompo 

Nehemia 1.4-11
4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra 5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, 6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa. 7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao. 8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho; 9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy. 10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. 11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Nehemia 1.4-11

Andriamanitra  lehibe  sy mahatahotra ny  Tompo 

1-Mihaino   izay  mivavaka  Aminy Izy 

Nalahelo mafy sy nitomany  i Nehemia  ka nivavaka  sy nifady hanina (and4 sy and 11) , raha  nandre  ny   fahoriana sy  ny fahavoazan’ny olona nody  avy  tamin’ny fahababoana . Tsy  mba anisan’ireo  nody mantsy  izy  , satria  mpiasa   tao  an-dapan’ny  mpanjaka Persiana  . Fantany   fa Andriamanitra  lehibe  sy mahatahotra ny  Tompo  , nefa  na eo aza ny fahalehibiazany  dia Andriamanitra  mihaino koa Izy. Io fihainoan’ny Tompo  io  no mampiavaka  Azy  amin’ny andriamanitra  rehetra izay ivavahan’ny  olona. Andriamanitra  velona  ny Tompontsika  , sady  miteny  no  mihaino. Izany  no  tsy isalasalantsika  hitaraina  sy hitalaho  Aminy  , raha tojo  zava-mampalahelo  tahaka izao  atrehin’i Nahemia izao . Andreha mba  hitaraina  amin-dranomaso  noho  ny firenentsika isika , fa ana  dia lehibe  aza ny Tompontsika  dia tena  mihaino Izy . Nivavaka  taminy i Jesoa fony Izy tety an-tany  sady nampianatra antsika hivavaka . Koa mivavaha sy mitalahoa Aminy .

2-Ampahatsiarovy  ny  teny nataony Izy

« Hotsarovanao anie ilay teny… »(and8). Tena  ilaina  hampahatsiarovina  ny  teny  nataony  ve ny Tompo ? Tsarovany  mandrakizay  tokoa   ny fanekena  sy ny teny  nataony  (Sal 111.5), saingy  ny vavaka  atao  amin’ny finoana  dia izay  angatahina sady  mifandraika  amin’ny efa nolazainy  sy nampanantenainy . Izany  no antso   nataon’i Isaia :« Ianareo  mpampahatsiaro  an’i Jehovah , aza mangina! » (Isa 62.6) . Ampahatsiarovy ny teny efa nataony  taminao  ny  Tompo fa hamaly  anao Izy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM