Manapaka amin’ny  fahefany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Janoary 2018

Manapaka amin'ny  fahefany ny Tompo 

Marka 1.21-28
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.

Manapaka amin’ny  fahefany ny Tompo 

Marka 1.21-28

Mpampianatra  manana fahefana i Jesoa 

1-Miavaka  noho  ny an’ny hafa  ny fampianarany 

Tokony  ho  tamin’ny andron’i Ezra  no naorina  ny Synagoga, hihainoana  ny  fanazavana ny  Soratra masina . Saika  ny tanàna  lehibebe misy fiankaviana  mihoatra  ny folo  no nanorenana izany . Tsy misy  mpampianatra  tamin’ny Synagoga sasany  , ka izay  mpampianatra sendra nandalo  dia niangaviana mba hampianatra ao. Nandalo  tao Kapernaomy i Jesoa  indray Sabata . Niavaka   ny  fampianarany  ka talanjona  ny olona  , satria  fampianarana  misy fahefana. Ny mpanora-dalàna sasany  rehefa  nampianatra  dia saiky  mitanisa ny tenin’ireo  Raby   malaza fotsiny . Tenin’ Andriamanitra marina misy fahefana  kosa  no nohazavain’i Jesoa  . Raiso ho  antsika  izany   , ka omeo lanja  ny  Tenin’ Andriamanitra  ao amin’ny fiangonana  sy ny toriteny  fa tsy  ny tenin’olo-malaza na fahalalana  tsara lahatra  . Raiso  sy ifotory  ny Tenin’ Andriamanitra  , dia hiseho  ny fahefan’i Kristy  ao amin’ny fiangonany  , ary ho hitantsika fa ho talanjona izay rehetra  mihaino  ny  fiangonana .

2-Miseho  amin’ny asa  ny fahefany 

Fampianarana  nahatalanjona ny  mpihaino   noho  ny fahefana nananany  no nataon’i Jesoa (and22) . Io  hery  sy fahefan’ny Teniny   io   dia nasehony  tamin’ny asa , ka rehefa  niteny  mafy ny fanahy maloto  Izy  , dia nanaiky  Azy  izany  ary niala  tamin-dralehilahy (and25-26). Miseho  amin’ny asa  ny hery  sy ny fahefan’ny tenin’ny Tompo  , ary  fahefana mandresy  ny ratsy  . Hain’ny Tenin’ Andriamanitra  resena  ihany  koa ny ratsy  eo  amintsika  rehefa  mandray ary  mino izany isika.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM