Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo 

Marka 9.19-27
19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento et? amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. 21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. 23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. 24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. 25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. 27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Marka 9.19-27

Manana fahefana hahasitrana  ny aretina rehetra  ny  Tompo  

Nisy  olona nitondra ny zanany  azom-panahy  moana sy  marenina teo  amin’ny  mpianatra  mba hositranina, nefa  dia nahagaga  fa tsy nahasitrana  azy ireo  . Nambaran’ny rain’ilay  marary  tamin’i Jesoa  izany toe-javatra  izany . Ary  dia nositranin’i Jesoa  ny marary  ka sitrana tokoa. manapaka amin’ny fahefany ny Tompo  ka afaka  manasitrana  na dia   izay aretina  tsy hain’ny  olona sitranina aza.

1-Aretina  ara-nofo

Zava-dehibe  ho an’ny marary  sy ny fianakavian’ny marary   ny hahazoana  fahasitranana . Ary izany  no mahatonga  antsika tsy hitandro vola aman-karena , mivezivezy  mitety  toeram-pitsaboana  samy hafa  , eny tonga  hatrany  amin’ny mpimasy  sy ny mpisikidy  aza ny mpivavaka sasany …Tsotra ny Tenin’i Jesoa : « Ento ety amiko  izy » (and19d) .Ento  ho eo  amin’i Jesoa  ny aretinao  rehetra , ento  ho eo  Aminy ny marary  , manana fahefana hahasitrana Izy .

2-Aretina ara-panahy 

Ny aretin-janany  no nahatonga  an-dralehilahy  hanatona an’i jesoa , kanefa rehefa tonga teo amin’i Jesoa dia hita  fa samy narary izy  mianaka , ary   ny aretin’ny rainy  aza no ratsiratsy kokoa . Tsy  inona izany  fa ny tsy finoana . Izany indrindra no mahatonga an’i Jesoa  hiteny hoe: » Ry  taranaka tsy mino (and19 , ny zavatra rehetra dia hain’ny mino »  (and23). Nalahelo  mafy  noho  ny tsy finoany ilay lehilahy  ka nangataka tamin’i Jesoa nanao  hoe: »vonjeo  aho  ho afaka  amin’ny tsy finoako  « (and24) . Ianao  koa , minoa  an’i Jesoa  dia hovonjena  ianao sy ny ankohonanao .

Fanontaniana: