Manapaka amin’ny fahefany  ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany  ny Tompo 

Jaona 4.46-54
46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. 47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. 48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. 49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. 50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. 51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. 52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. 53 Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. 54 Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
Manapaka amin’ny fahefany  ny Tompo 

Jaona 4.46-54

Nisy tandapa  iray tao Kapernaomy  , nanana zanaka  narary  . Nandeha  nankany   amin’i Jesoa  izy ka niangavy  Azy mba hidina  ho any  an-tranony  hahasitrana  ny zanany  izay  efa ho faty . Toa tsy mifanaraka  amin’izay  nangatahany  anefa  ny valitenin’i Jesoa  raha nilaza Izy hoe: : »Fa  raha  tsy  mahita  famantarana  sy fahagagana ianareo  dia tsy  mba hety  hino   mihitsy «  (and 48) .

1-Tsy  voafetran’ny elanelan-toerana ny fahefany 

Ny Galiliana  dia tsy  mba nety  nino  afa-tsy  izay  hitan’ny masony . Ny  hanala  ilay tandapa  amin’izay toe-tsaina  izany  no nokendren’i Jesoa  eto  raha nilaza izy hoe:« Andeha mody , velona ny zanakao   » (and50). Nino ny teny  izay nolazain’i Jesoa ilay lehilahy  ka lasa nody . Na dia tsy  nankany  an-tranon’ilay tandapa  aza i Jesoa dia nahasitrana  ilay marary  kosa. 24 Km eo no eo  ny elanelana . Mampiseho  amintsika izany  fa tsy  voafetran’ny toerana na ny elanelan-tany  ny fahefan’i Jesoa .

2-Tsy voafaritry  ny fahalalan’olombelona ny fahefany 

Tonga nino an’i Jesoa ilay tandapa   rehefa nihaona  sady   niresaka taminy . Ny ankohonany  rehetra koa tonga nino  Azy , na dia tsy nihaona taminy   akory aza , fa  nijanona tany  Kapernaomy . Ny aretina izay  noheverina  ho fahafatesana  no fiafarany  , no indro fifaliana sy famonjena lehibe  ho an’ny rehetra . Tsy takatry ny saina  sy ny fahalalana  amin’ny maha- olombelona izany  . Koa  aza  mamoy fo  , matokia Azy , na inona na inona  mitranga fa tsy izay  miseho  ety ivelany  no hamaritra ny fahefan’ny Tompontsika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM