Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Hebreo 1.1-4
1 [Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, 3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo 4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Hebreo 1.1-4
Ny halehiben’ny voninahitry ny Zanaka
Ny halehiben’ny voninahitr’i Kristy no tanisaina eto mba hahaizantsika midera Azy sy mametraka Azy amin’ny toerany :
1-Izy no voatendriny ho mpandova ny zavatra rehetra
Azy ny zavatra rehetra , ary afaka mizara izany amin’izay Azy Izy . Amin’izany dia tonga mpiray lova Aminy izay rehetra mino (Rom 8.17;Gal 4.7)
2-Izy no nahariana izao tontolo izao
Tsy mba isan’ny voahary tahaka izay mpaminany fahiny na tahaka ny anjely Izy . Efa tao amin’ Andriamanitra hatrizay hatrizay Izy . Tamin’ny alalany no nahariana ny zava-boahary rehetra (Jao 1.1;3.1;1 Ko 8.6)
3-Izy no famirapiratan’ny voninahitr’ Andriamanitra
ry hitanay ny voninahiny
4-Izy no nanao fanadiovana hahafaka amin’ny fahotana
Tamin’ny nanaterany ny tenany indray mandeha no nanadiovany ny mpanota ho afaka amin’ny fahotana rehetra. Tsy misy fomba hafa hahazoantsika famonjena afa-tsy izay nataony ho antsika .
5-Izy dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny lehibe any amin’ny avo
Rehefa vitany ny asany dia naka ny toerana ambony nomena Azy Izy , Mpanjakan’ny mpanjaka Izy , Mpisorona mandrakizay , ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana avo indrindra (Apo 5.13).
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM