Manaova ny tsara !

Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Novambra 2023

MATIO 25.31-46

MATIO 25.31-46
31 Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; 32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy*;[*Gr: zanak'osy] 33 ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy* eo amin'ny ankaviany. 34 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; 35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. 37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? 38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? 39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. 41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; 42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; 43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. 44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? 45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. 46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

Manaova ny tsara !

1-Mba ho isan’ny mpandova ny fanjakan’Andriamanitra (34-40)

Finoana ao an-tsain’ny olona ny hoe:« hanao asa soa aho mba ho voavonjy » .Tsia ! fa fahasoavana sy finoana ihany no maha-voavonjy .Matoa ny olona iray manao asa soa sy asa tsara rehetra dia satria tsara ny Andriamaniny .Ary izay manana toetra tsara no mahay manao ny tsara,satria asa fanaon’ Andriamanitra tsara izany .Ka na dia ireo rahalahiny olombelona mitovy aminy aza dia hasoaviny .Ny Andriamaniny mantsy tia sy miantra olona ,dia mba manahaka izany koa ny ataony .

2-Mba tsy ho very any amin’ny afo maharitra mandrakizay (and45-46)

Ny devoly dia tsy tia ny olombelona izany, na dia manome vola ho an’ny olona aza izy.Ny tambin’ny vola omeny dia fahaverezan’ny fanahin’ilay olona mandray.Raha tia ny olombelona izy dia mikendry ny hahavoavonjy azy. Mazava ho azy fa izay zanaky ny devoly dia tsy manam-pitiavana ,tsy mahay manao asa soa maimaimpoana .Na dia manao asa soa aza ny devoly dia tsy maintsy misy valiny sy tambiny ary tiany hatao mpanompo sy andevoziny izay mandray ny asany .Hoy ny voasoratra : »izay tsy tia tsy mba mahalala an’Andriamanitra « (1Jao 4.8)

Fanontaniana:

Efa nanasoa olona ve ianao? Inona no antony nanosika anao nanao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM