Manao fenekena amin’ny voafidiny ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Martsa 2024
Jeremia 31: 1-6
Jeremia 31,1 - 6
1 [Ny famindram-po ho an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko. 2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita* fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome* fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha Aho ka nanome] 3 Tany lavitra any* no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny] 4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly. 5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra. 6 Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.Manao fenekena amin’ny voafidiny ny Tompo
1. Ka tazoniny mandrakariva izany (and 3)
Ity hafatr’i Jeremia ity dia hafatra ho an’ireo sisa afaka amin’ny Israely; ireo izay sisa velona taorian’ny fitsaran’Andriamanitra ka nahababo ny fireneny. Tsarovy ny fitiavany izay tsy misy fetra fa maharitra mandrakizay. Ireo olona koa mantsy dia tsy nivadika taminy na dia mafy aza ny nanjo azy ireo. Ry havana, tia antsika mandrakizay ny Tompo, isika koa dia tokony ho tia Azy mandrakizay ka hitandrina ny Teniny sy hanao ny Asany.
2. Ka hamerina azy ireo ho amin’ny voninahiny taloha (and 4-6)
Rava izy ireo saingy tsaroan’ny Tompo ny fanekeny, ka hanorenany azy ireo indray ka hiverina any amin’ny taniny izy ireo; ka ho tanteraka ny fanekeny dia tany sy taranaka ho azy ireo. Ry havana, hamarinin’Isaia 10.22 « Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Israely olona, dia izay sisa aminy ihany no hiverina. » Koa aoka isika hijanona amin’ny fanekena efa nataontsika Taminy.
Fanontaniana
Tsapanao fa mandrakizay tokoa ny fitiavan’ny Tompo anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe