Manao ahoana ny finoanao?

Mofonaina anio: Talata, faha 05 Jolay 2022
MATIO 17.14-20
14 Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: 15 Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano. 16 Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy. 17 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento at? amiko izy. 18 Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay. 19 Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? 20 Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà er? , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.

1-Atanjaho ny finoana

Rehefa nitaraina i Jesoa ny lehilahy iray fa mararin’ny androbe ny zanany ka tsy sitran’ny mpianatr’i Jesoa dia nidirany an-tsehatra .Rehefa izany dia nanontany Azy mangingina ny mpianany ny amin’ny anton’ny tsy fahombiazany dia mazava ny valitenin’ny Tompo: »noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany » (and20a) .Tsy hoe: tsy manam-pinoana tsy akory izy ireo fa tsy ampy ka azon’ny devoly notoherina , mora nohozongozonina.Taomina àry ianao mba hamelona tsara ny finoana ary ny hahafahan mamelona izany dia ny fivokisana ny Tenin’Andriamanitra sy fananana fiainam-bavaka velona tsara hifandraisanao amin’i Kristy .Tandremo àry fa resin’ny satana raha kely finoana.

2-Ampitomboy ny finoana

« Raha manana finoana ohatran’ny voantsinampy iray aza ianareo…ary tsy hisy tsy ho hainareo atao ».Ny hevitry ny hoe: finoana ohatran’ny voatsinampy dia finoana afaka mitombo, afaka maniry raha kolokoloina ary mety ho tonga hazobe hialofan’ny voromanidina .Finoana marina izany ka izany no hahafahana mahefa be amin’ny fanompoana ny Tompo ary io finoana miaina io dia mivoatra sy arahina asa.Ny an’ny mpianatra teto dia niasa nefa tsy ampy finoana ka maty momoka , fa ianao , miasà amin’ny finoana . Amin’izany dia hahita fahombiazana amin’ny fanompoana tanterahanao ianao .

Fanontaniana:

Manao ahoana izao ny fahatsapanao ny finoanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM