Manankery amin’izay mino ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Febroary 2023
MARKA 2.1-12
MARKA 2.1-12
1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy, 2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy. 3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. 4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa. 5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. 6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: 7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3] 8 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? 9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? 10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana et? ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): 11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. 12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.Manankery amin’izay mino ny Tenin’ny Tompo
Misy sokajin’olona roa mazava tsara eto amin’ity Perikopa ity .
1-Ireo avy any ivelany
Voalaza fa nisy olona efa-dahy tsy tafiditra fa teny ivelany noho ny habetsahan ‘ny olona nihaino an’i Jesoa .Nosokafan’izy ireo ny tafo mba hampidinany ny marary nentiny mba ho tonga eo anatrehan’ny Tompo . Ny olona nahita ny nataon’izy ireo dia gaga sy talanjona fa i Jesoa kosa nahita fa asan’ny finoana tao anatin’izy ireo izao nataony izao (and5)
2-Ireo tao anatiny
Voambara eo amin’ny and 6 fa nisy mpanora-dalàna tao anatin’ny trano . Raha niteny hoe : tao anatin’ny trano dia milaza indrindra izany ny olona akaiky sy nihaino an’i Jesoa . Raha nandre ny tenin’i Jesoa izy ireo dia nanameloka an’i Jesoa .
Fehiny : Mila mitandrina isika sao isika mihaino isanandro ny Tenin’ny Tompo indray no tsy hanana finoana raha oharina amin’ireo any ivelany .
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fatran’ny finoanao ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM