Manana toe-panahy miavaka

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Novambra 2024

1 Timoty 6.11-21

1 Timoty 6.11-21
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena. 17 Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova*, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, [* Gr. fiovavovan'ny harena] 18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, 19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana. 20 Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, 21 izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Manana toe-panahy miavaka

1. Mandosira ny fakam-panahy

Fitaovana iray velarin’i Satana eo anoloantsika ny fakam-panahy raha tsy mitandrina isika. Fieboeboana foana, ady hevitra, fialonana, fifandirana, fanaratsiana, miala amin’ny fahamarinana, manao toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra…. Raha ireo rehetra ireo dia hita eo amin’ny fiaraha-monina avokoa. Asaina mandositra izany isika satria tsy toe-panahy araka an’Andriamanitra izany fa mijoro hatrany kosa amin’ny fahamarinana, hitombo hatrany ny fananana toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem- panahy….

2. Mitahiry ny finoana an’i Jesoa Kristy

Ny hoe: mitahiry dia entina ilazana zavatra omena mba ho kajiana sy hotandremana tahaka ny anakandriamaso. « Tehirizo ilay natolotra anao…. ». ny fahalalana ny Soratra Masina sy ny filazantsara ary ny nandraisana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy amin’ny fiainany. Io no nampianarina an’i Timoty hatry ny fony fahakely (2 Tim 3. 14-15). Ny finoana dia avy amin’ny toriteny henoina, izay manambara an’i Jesoa Kristy ilay tompon’ny finoantsika. Izy ihany no fanoitra ahazoana manohitra ny fampianaran-diso samihafa, izay mamotika ny finoana. Tehirizo tsara ary ny finoanao an’i Jesoa Kristy ilay tompon’ny finoanao. Miorena tsara dia aza miova. Tsarovy fa ny finoanao no mahavonjy anao sy ny ankohonanao. Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny fikatsahana ny toe-panahy ho toy zava- Isarotra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe