Manana adidy eto amin’izao tontolo izao ny mpino.
Mofonaina anio: Talata, faha 19 Desambra 2023
Matio 5.13-16
Matio 5.13-16
13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. 14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. 15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. 16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.Manana adidy eto amin’izao tontolo izao ny mpino. Anisan’ny fahamarinana mavesa-danja ao amin’ny toriteny nataon’i Jesoa ity anio ity , izay sady niantefa mivantana tamin’ireo mpianatr i Jesoa, no miantefa amintsika kristiana :
1- Hianareo no fanasin’ny tany… (and.13)
Diso ny fiheverana fa ny raharaha mahakasika ny any an-danitra ihany no tokony hosahanin’ny Fiangonana, ka tsy tokony hiraharaha momba ny fiainana ety an-tany. Ny fanoharana nataon’i Jesoa eto dia mametraka adidy amintsika kristiana mba hijoro ho fanasina eto amin’izao tontolo izao. Ny fanasina dia entina ilazana ny sira fampiasa amin’ny sakafo ka sady manome tsiro azy no miaro azy mba tsy ho lo. Azo heverina amin’izany fa adidin’ny kristiana tsirairay ny mijoro amin’ny fahamarinana araka an’Andriamanitra eto anivon’izao tontolo izao mba tsy hahatonga izao tontolo izao hanjakan’ny fahalovana ara-panahy. Raha ny kristiana no tsy hanan-kery hijoroana amin’ izany dia hihanaka ny fahalovana. Ny « fanasina matsatso » dia azo oharina amin’ireo izay jerena toa mpivavaka, nefa mbola miaina anatin’ny fahotana fanaon’ izao tontolo izao, ka ratsy no hiafarany (and. 13.b)
2- Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao…(and.1 4-16)
Manjaka eto amin’izao tontolo izao ny aizina, araka izay efa nolazain’ny mpaminany Isaia hoe: « Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena ».. (Isa 60.2a). Ny tena mpianatry ny Tompo kosa dia hijoro ho « Fahazavana« , jiro manazava izay rehetra mitoetra anaty aizina.Ny olona izay efa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy no afaka hijoro ho fahazavan’izao tontolo izao. Fa sady mazava amin’ny tenany izy no manome hazavana ho an’ny manodidina azy. Asehony ho hitan’ny olona ny fahamarinany.
Fanontaniana:
Inona no adidin’ny kristiana manoloana ny fiainam-pirenena?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM