Manambara ny asan’ny Tompo ny mino

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Septambra 2016
Salamo 64,1 - 10
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika amam-pitaka ataon'ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo. 2 Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy, 3 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy. 4 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra. 5 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? 6 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony. 7 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany. 8 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra* izay rehetra mahita azy.[Na: Mihifikifi-doha] 9 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. 10 Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

SALAMO 64.1-10 

« Aoka ny olo-marina hifaly amin’ny Tompo sy hanao Azy ho fialofany hatrany , ary aoka ny mahitsy fo rehetra hifampiarahaba noho ny aminy » (and11. DIEM)

1-Manambara ny fiarovan’ny Tompo ny mino

Azony antoka tanteraka fa afaka miaro azy ny Tompo ka izany ny nanaovan’i Davida hoe : « eny na dia mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho  » ( Sal 23.4a). Manoloana ny hetraketraka ataon’ny fahavalony dia sahy mitaraina fiarovana amin’ny Tompo izy eto . Maro ny olona no mivily eritreritra rehefa iharan-java-tsarotra ka lasa mihitsy mitady fiarovantena amin’ny mpisikidy … Ny mpanao salamo kosa mitaona sy manambara fa hafa ihany ny arovan’ Andriamanitra . Mahafaly loatra izany .

2-Manambara fa andraikitry ny Tompo ny mino

Mandringana ny mpirehareha sy ny ratsy fanahy mihitsy Andriamanitra araka ny voasoratra (and7-9) . Manambara ny ataon’ Andriamanitra ny olona rehetra mahita izany . Misy vokany tokoa ny vavaka atao amin’ny fatokiana fa mihaino Andriamanitra . Mamaly ny fahavalo Izy fa isika kosa hangina rehefa mivavaka Aminy. Mandray an-tànana ny zava-manjo ny mpanopony Izy ka tsy tokony hisy fahakiviana raha misy manenjika . Aoka hifaly na misy mafy aza satria momba antsika mandrakariva i Jesoa .

Fanontaniana :

Inona no zava-tsarotra nolalovanao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM