Manambara ny asan’ny Tompo ny mino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Septambra 2016
Salamo 77,10 - 15
10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan*'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon'] 11 Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; 12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao. 13 Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina* ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana] 14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao. 15 Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO
SALAMO 77.10-15
« Eny hisaina ny asanao rehetra aho , ary hihevitra ny nataonao » (and12)
1-Manamafy ny filazana ny tànam-pamonjena ny mino
Ny mpanao salamo dia mahatsiaro ny namelan’ Andriamanitra azy hiharan’ny fahoriana, kanefa tsy nataony mavesa-danja izany miohatra amin’ny tànam-pamonjeny dia ny nanavotany azy teo anatrehan’ny fahavalony . Matetika no mila hiherikerika isika rehefa mandalo ftsapana toy izany , saingy raha mino ny famonjena nataon’i Jesoa indray mandeha monja teo amin’ny hazo fijaliana isika dia tsy maintsy ho tahaka ny mpanao salamo milaza hoe : « hisaina ny asanao rehetra aho »
2-Manana andraikitra amin’ny asan’ny Tompo ny mino
Ny fiheverana ny nataon’ny Tompo tamin’ny fiainan’ny mpino dia mitaky andraikitra tokoa. « Inona no havaliko Azy noho ny soa rehetra nataony tamiko ? ». Teny mahazatra antsika izany nefa misy asa nataontsika ve ho valin’ny nataon’ny Tompo tamin’ny fiainantsika raha tsy nihevitra izany isika ? Ambara fa tokony hiverina hisaintsaina ny asan’ny Tompo isika vao afaka manambara izany amin’ny olona rehetra .
Fanontaniana :
Inona no fanapahan-kevitra raisintsika isaky ny mamaky Baiboly isika ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM