Manambara ny asan’ny Tompo ny mino
Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Septambra 2016
1 Korintiana 11,23 - 29
23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, 24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] 25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. 26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. 27 Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. 28 Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. 29 Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO
1 KORINTIANA 11.23-29
« Fa na oviana na oviana no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-piaviny (and 26)
1-Manambara ny Tompo ao amin’ny fiainany ny mino
Ny fiaraha-misakafo nataon’ny Tompo sy ny mpianatra farany no nanoernany ny Fanasan’ny Tompo , fiombonam-piainana Aminy izany . Manan-danja amin’ny mpino ny fanatanterahana ny famakiana ny mofo tahaka ny nataon’ny Fiangonana voalohany . Fijoroana ho vavolombelon’ i Jesoa maty sy nitsangana tamin’ny maty ny Fanasan’ny Tompo . Manavao ny fifandraisan’ny mino Aminy izany rehefa ialohvana fandinihantena .
2-Manambara ny fahafatesan’ny Tompo ny mino
Asam-pamonjena lehibe no vitan’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao . Maty nitondra ny heloka sy ny fahotana teo ambony hazo fijaliana Izy . Ny Ra nilatsaka tamin’ny tenany no toy ny Ran’ny Zanakondry tsy misy kilema natao sorona . Mamafa ny heloka sy ny fahotana ny Tompo rehefa mibebaka ny olona . Mofo sy divay no manamarika ny Fanasan’ny Tompo izay nanambarany ny tenany sy ny Rany natolony teo amin’ny hazo fijaliana .Mampiorina ny finoana ny famonjena vitany izany .
Fanontaniana :
Inona aminao ny Fanasan’ny Tompo ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM