Manamasina ny tenany ny mpino

Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Aogositra 2024

2Korintiana 6.11-7.1

2 Korintiana 6,11 - 7,1
11 [Fanarana ny Kristiana tao Korinto mba tsy hikamba amin'ny ratsy, sy filazana ny hafalian'i Paoly noho ny nibebahan'ireo, rehefa nahazo ny epistily nampitondrainy] Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12 Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13 Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo. 14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? 15 Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? 16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). 17 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. 18 Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12). 1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

2Korintiana 6.11-7.1

Manamasina ny tenany ny mpino

1- Aza mikambana amin’ny tsy mino

Izay resahan’ny mpanoratra amin’ny mpamaky eto dia ny ilazany ny tsy hikambanana amin’ny tsy mino. Tsipihin’i Paoly mazava tsara fa tsy tokony hanana fifandraisana akaiky izy ireny, na iarahana matetika, fiarahana amin’ny maha mpinamana. Ny mpanoratra dia mampiasa sarin-javatra maro mifanipaka mba hampitana izany. Ireto avy izany : ny fahamarinana sy ny fahotana, ny mazava sy maizina, Kristy sy Beliala; ny mpino sy ny tsy mpino. Ny tempolin’Andriamanitra sy ny sampy. Ny hany tokony ho fifandraisan’ny Kristiana amin’ny tsy mino dia izay tsy maintsy noho fiainana ara-piarahamonina, na toe-karena, na fotoana hitaomana azy ireny ho amin’ny lalan’ny famonjena.

2- Aoka isika hanadio ny tenantsika

Anterin’i Paoly fa ny mpino dia tempolin’Andriamanitra, toeram-ponenan’ny Fanahy Masina (Jao14.23; 1Kor 6.19). Koa tsy maintsy manapa-kevitra amin’ny fomba entitra ny mpino amin’izay rehetra fifanarahana tsy araka ny an’Andriamanitra nataony, ary hanohitra ny faniriam-pahotana avy amin’ny tenany. Ho vonoiny avokoa ireo asam-pahotana rehetra, ka hifikitra isanandro kosa amin’ny hazo fijaliana sy ny Fanahy Masina izay fototry ny fandresena sy ny fahamasinana. Herezo àry ry havana fa ianao dia nofidina tao anatin’ny maro: asehoy eo anatrehan’ny hafa fa mpanompon’Andriamanitra ianao. Tandrovy ay fahamasinan’ny Tompo.

Fanontaniana:

Inona avy no efa nifandraisanao tamin’ny tsy mino?

Sampana Sekoly Alahady Foibe