Manamasina ny tenany ny mpino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Aogositra 2024
Jeremia 12. 1-6
Jeremia 12. 1-6
1 [Ny fitarainana nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra? 2 Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony*.[Heb. voany] 3 Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana.[Heb. hamasino] 4 Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy. 5 Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana?[Heb. ny reharehany] 6 Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.Manamasina ny tenany ny mpino
1- Aza mialona ny ratsy fanahy
Izay ambara eto ry havana dia tohin’izay voalaza teo amin’ny toko 11.18. Fanontaniana fandre hatry ny ela, saingy mbola manan-kery ankehitriny no apetrak’i Jeremia: « Nahoana ny ratsy fanahy no ambinina? Nahoana ny tsy rariny no mandresy ny rariny? Nahoana no toa mety avokoa izay ataon’ireo tsy mba matahotra an’Andriamanitra…? Mazàna ny mpino no sahiran-tsaina raha mandinika ny fanambinana misongadina azon’ny ratsy fanahy. (Joba 21. 7-15, Sal 73, Mal 3. 14-15). Na eo aza izany sarintsarim-panambinana izany, Jeremia kosa dia mahalala tsara fa marina Jehovah (12.1). Izany hoe: tsy fankahalana ireo ratsy fanahy akory no antony nahatonga azy nanontany. Ry havana, Andriamanitra irery no mahalala izay tiany hatao amin’ny olona tsirairay. Mijoroa, asehoy ny fahamasinanao, aza miray aminy sao ho voataonany ianao.
2- Mijoroa amin’ny fahamarinana
Jehovah mihitsy no lazain’ny mpanoratra eto ho marina. Hoy mantsy ny voalazan’ny and.1: « Raha mifandahatra aminao aho Jehovah ô, dia ianao no marina ». Ny fijoroana amin’ny fahamarinana eo anatrehan’ireo ratsy fanahy, na ireo izay tsy marina dia endrika iray itoriana ny Filazantsara. Masina ilay Andriamanitra inoantsika, sady mpanao ny marina. Ianao ihany koa dia mendrika ny ho toy izany eny amin’ny sehatra anirahany anao. Asehoy ny fahamasinana sy ny fahamarin’ Andriamanitra, ary aza mitoky na amin’iza na amin’iza satria hita ankehitriny fa mitombo ny olona mivadiką amin’ny marina rehefa tojo olana.
Fanontaniana:
Marina amin’ny zavatra rehetra ve ny mpino?
Sampana Sekoly Alahady Foibe