Manaja ny fifandraisana amin’ny hafa ny mpino.

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Aogositra 2022
Romana 14.10-18
10 Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra. 11 Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23). 12 Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra. 13 Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [* Gr. mitsara] 14 Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany. 15 Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. 16 Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3] 17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. 18 Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.

Manaja ny fifandraisana amin’ny hafa ny mpino.

1- Aoka tsy hanao tsinontsinona olona

Manoloana ny fahasamihafana eo amin’ny mpino sy ny hafa manodidina azy dia misy toromarika omena ny mpino. Tsy natao hanaovana tsinontsinona ny hafa na hanaovana zinona ny hafa ny firehana samy hafa. « Ary nahoana ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? » (and. 10). Tsy naniraka antsika hanambany olona ny Tompo. Ny hambabo olona ho an’ny Tompo no tanjona.

Rehefa tsy mitovy ny faharesen-dahatra dia tsy fahendrena ny manao fanahy iniana mampivandravandra ny fahasamihafana amin’ny fotoana sasany. Raha misy sakafo fady ny vahininao dia aza terena hihinana ny tsy mahazatra azy izy aloha. Torio madio ny Tenin’Andriamanitra fa angamba any aoriana any hiova ihany izy. Tsarovy fa hain’i Jesoa ny niantrano tany amin’ny mpanota mba hanehoana ny iraka azony mahakasika azy ireny (Mat 9.12)

« Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinananao dia tsy mandeha manaraka ny fitiavana intsony ianao » (and. 15). Fitiavana no nandesen’ny Tompo izao tontolo izao. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no namintinan’i Jesoa ny didy folo. Aoka hizara fitiavana ianao. Io no fampianarana nomen’ny Tompontsika. Atombohy amin’izay akaiky anao izany.

Tsy mety ny hafanam-po diso toerana manoloana ny fiatrehana ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina. Ny tendrom-po tsy mba namana fa mangataka ny tolo-tsaina avy amin’ny Fanahy Masina hatrany ny mpino.

Tsy mety ny manimbazimba fomban’olona, nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM