Manaiky ny vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Talata, faha 11 Jolay 2017
Manaiky ny vavolombelon'ny Tompo ny irany
Asan'ny Apostoly 7.54-60
54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.Manaiky ny vavolombelon’ny Tompo ny irany
Asan’ny Apostoly 7.54-60
Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo
Stefana , ilay lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina no fianarana antsika mba hijoroantsika ho tena vavolombelon’ny Tompo .
1-Manoloana ny mpanenjika
Izay rehetra manaiky hanara-dia an’i Jesoa dia aoka hiomana amin’ny fiatrehana ny fankahalana sy ny fanenjehana . Izany dia araka izay efa nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany hoe: » Raha nanenjika Ahy izy dia hanenjika anareo koa » (Jao 15.20b) . mijoroa toa an’i Stefana . Na dia lotika sy romotry ny hatezerana aza ny mpanenjika , izy kosa feno ny Fanahy Masina , mibanjina ny lanitra ka mahita ny Voninahitr’ Andriamanitra sy i Jesoa mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra (and55). Ary na dia mitora-bato hamono azy aza ny olona , izy kosa mivavaka mba handraisan’ny Tompo ny fanahiny (and59). Na dia mankahala sy mamono azy aza ny fahavalo , izy kosa mandohalika sy mivavaka ho azy ireo ka manao hoe: « Tompo ô aza atao ho helony anie izao » (and60).
2-Hatramin’ny fara-fofonaina
Mety ho maro ihany ny olona manaiky hijoro vavolombelon’ny Tompo , rehefa milamindamina ny fiainany . Fa maro no mandao , indrindra fa rehefa tojo ny sarotra . Stefana kosa dia nahajoro hatramin’ny fara-fofonainy satria feno ny Fanahy Masina izy . Raha manaiky hitoeran’ny Fanahy Masina isika dia hanehoan’ny Tompo ny voninahiny , ka hahajoro ho vavolombelon’ny Tompo . Ary na dia amin’ny ora farany aza , dia mbola hiantso ny Anaran’ny Tompo ka hisokatra ho antsika ny lanitra .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM