Manaiky ny ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Jolay 2017

Manaiky ny ho vavolombelon'ny Tompo ny irany.

1 Petera 2.18-25
18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. 19 Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra. 20 Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra. 21 Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; 22 "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9); 23 raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; [* Na: ny tenany] 24 ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5). 25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo.[* Gr. Episkopo]

Manaiky ny ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.

1 Petera 2.18-25

Manahafa an’i Jesoa Kristy
1-Iraka manaiky ny Tompony  tahaka Azy

Manainga  ny mpino  ny Soratra masina eto  mba hanaiky  sy hananana fahatahorana ny mpampiasa  azy na ny lehibeny . Tsy hanavahana  na iza na iza  izany  fanekena  sy fankatoavana izany izany . Tsy fanekena sy fahatahorana olona loatra anefa  no antony   fa ho   fanahafana  an’i Jesoa . Nanaiky ho iraka Izy ka tsy nanam-pandavana an’ Andriamanitra izay naniraka Azy na dia niafara  tamin’ny fahafatesana aza izany fankatoavana sy fatahorana an’ Andriamanitra rainy izany . Amin’ny atao  sy ampanaovina  rehetra dia raiso  ho toy ny iraka hampanaovin’ny Tompo ny asa sy ny andraikitra manandrify ka mijoroa ho  iraka   vavolombelon’ny  Tompo  amin’ny fanekena sy ny fahatahorana .

2- Iraka  miaritra  fahoriana tahaka Azy

Rehefa nanaiky  ho iraka hitondra famonjena  ho  an’izao  tontolo  izao  i  Jesoa  dia naka  ny  toeran’ny  mpanompo . Niaritra ny fampahoriana sy ny fanenjehana natao  taminy Izy .Nandefitra ny tsy rariny koa aza mba hahatanteraka ny iraka  nampanaovin’ny Ray Azy . Afaka  ny hanahaka an’i Jesoa koa isika irany  eo  amin’ny fiaretam-pahoriana . Mety  misy  ny mpampiasa  izay  mampitondra alahelo  sy fahoriana . Maro  ny mpiasa  miaritra ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena ataon’ny mpampiasa  na ny lehibe . Tsarovy anefa  fa izay  miara-miaritra amin’ny Tompo dia tsy  maintsy  hiara-mandresy Aminy koa.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM