Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany .
Malakia 3.1-7
1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] 2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. 3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. 4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. 5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana. 7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .
Malakia 3.1-7
Andriamanitra be fitiavana
1-Miantso ny olona hiverina Aminy
Na dia tsy manaraka izay lazain’Andriamanitra aza isika dia mbola antsoiny sy taominy hiverina Aminy (and7). Fitiavana izany satria ny fiverenana Aminy ihany no vahaolana hialana amin’ny ota. Io no làlana ahafahana mifandray indray amin’ Andriamanitra . Miverena amin’ Andriamanitra fa manimba ny ota , mahatonga fisarahana amin’ Andriamanitra , mampahory sy mampanalavitra ny fiadanana .
2-Mitaona ny olona hanaraka ny didiny
Ny fototry ny ota eto dia ny fialana tamin’ny didin’ Andriamanitra (and7) . Vokany : tonga manana ody , mijangajanga , mampahory ny mahantra sy ny kamboty ny olona . Na eo aza izany dia maneho ny fitiavany Andriamanitra ka miala nenina mitaona antsika hanaraka ny didiny . Tsy inona izany fa ny teniny voarakitra ao amin’ny Soratra masina . Hevero ny toetrantsika ankehitriny : maro ny milaza ho kristiana kanefa tsy mety manaraka izay voalazan’ny soratra masina . Saino kely anie ity e : andaniny , maro no andraran’ Andriamanitra kanefa ataontsika , ankilany kosa , maro ireo ampanaovin’ Andriamanitra kanefa tsy tanterahantsika . Ary koa , ny jentilisa tsy mety manao ny fanaon’ny kristiana fa ny kristiana kosa manaiky hanao ny fanaon’ny jentilisa . Miverena amin’ Andriamanitra fa tia antsika Izy na dia nandika ny didiny aza isika (Lio 5.32) .
Fanontaniana :
Inona no hataonao raha tsapanao fa nanota ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM