Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany.

Lioka 8.38-39
38 Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe: 39 Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Lioka 8.38-39

Izay  nandray  ny famonjena  avy amin’ny Tompo.

Nohafahan’i Jesoa tamin’ny asan’ny demonia izay  namatotra azy ity lehilahy iray ity . Nirahina  hampiely ny  vaovao mahafalin’ny famonjen’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy taorian’izany . Izay nandray ny famonjena  avy amin’ny Tompo. Noho izany dia :

1-Irahina hanambara  amin’ ny ankohonany

Nasain’i Jesoa niverina ho any amin’ny ankohonana niaviany ity rehefa avy nandray ny famonjena . Iraka  lehibe  nampanaovina azy amin’izany ny hilaza amin’ny ankohonany izay nataon’i Jesoa taminy . Eo anivon’ny ankohonana no hanirahan’ny Tompo antsika voalohany indrindra hitory  sy hijoro vavolombelon’ny asa mahagaga nataony tamintsika . Koa  aza menatra  ny hijoro  vavolombelon’ny Tompontsika eo  anivon’ny ankohonana misy antsika tsirairay avy .

2-Tery am-panahy hampiely ny vaovao mahafaly

Nanaiky ho iraky ny Tompo hanambara ny asa lehibe nataon’ Andriamanitra taminy ity lehilahy ity . Tsy nianona teo amin’ny ankohonany ihany fa nampiely izany eran’ny tanàna koa. Tsy nanirahan’ny Tompo azy  io , saingy  tery am-panahy kosa izy nanao izany noho ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe ny famonjena noraisiny . An-tsitrapo no hanekena  ho iraka hanambara ny famonjen’ Andriamanitra . Tokony ho tery am-panahy  hanao  izany isika amin’ny sehatra  rehatra misy  antsika araka ny tenin’i Paoly Apostoly hoe: « fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay » ( 2 Kor 5.14) .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM