Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany .
Filipiana 1.12-18
12 [Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; 13 ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra* mbamin'ny olona hafa rehetra; [* Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria] 14 ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra. 15 Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany; 16 fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho; 17 fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako. 18 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .
Filipiana 1.12-18
Mampandroso ny fitoriana ny Filazantsara
1-Ny fiaretan’ny iraka mpitory
Iray amin’ireo mpitory ny Filazantsara tena nahavita be tokoa i Paoly Apostoly . Maro ireo dia misionera nataony . Nitety tany maro noho izany izy ary nisedra zavatra maro ihany koa. Anisan’izany ny fifatorany . Na izany aza dia nanam-pifaliana i Paoly satria ny fiaretany dia anisan’ny nampandroso ny fitoriana ny Filazantsara . Tonga fantatry ny olona i Kristy noho ny faneken’ny iraka tahaka an’i Paoly hijaly sy hiaritra ny fampahoriana noho ny Filazantsara . Manaiky hiaritra fahoriana ny iraky ny Tompo mba hampandroso ny fitoriana ny Filazantsara , indrindra any amin’ny toerana sarotra sy maro mpankahala ny finoana kristiana .
2-Ny fanaovana an’i Jesoa ho anton’ny fitoriana
Hafatra fototra hanirahan’ny Tompo ny mino ny fanambarana ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany tamin’ny maty mba ho famonjena izao tontolo izao . Ny fanambarana izany no antom-pisian’ny Fiangonan’ Andriamanitra azy ka tsy maintsy atao vaindohan-draharaha . Tokony hampandini-tena antsika ihany anefa ny filazan’i Paoly eto fa misy ny manao izany amin’ny fihatsarambelatsihy fotsiny . Misy kosa amin’ny fifampiandaniana . Tena misy tokoa izany na dia ankehitriny izao aza saingy isika kosa andeha ho isan’ireo iraka mitory an’i Kristy amin’ny fifaliana sy ny fitiavana .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM