Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany .

Matio 24.1-14
1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. 2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. [*Na:Tsy hitanareo izany rehetra izany] 3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. 4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. 6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. 8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28] 9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. 10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy. 11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. 12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro. 13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. 14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Matio 24.1-14

Mitandrema !

1-Misy  hilaza  azy ho irak’ Andriamanitra kanefa  sandoka .

Efa  nampitandrina i Jesoa fa hisy tokoa ny ho avy  amin’ny anarany  ka hisandoka ho Kristy . Hisy koa ny hilaza azy  ho iraka mpitondra ny hafatr’ Andriamanitra kanefa tsy izy . Araraotin’ny sasany ny fotoana hiandrasana ny fiavian’ny Tompo mba hamitahana ny maro . Soa fa efa  nampitandrina antsika  ny  Tompo  koa , mitandrema ! Misy  tokoa  ny olona mitety vohitra sy tanàna  mitono-tena  sy misora-tena  ho Kristy  ankehitriny . Tokana i Kristy ambaran’ny Soratra Masina  sy ny fanekem-pinoantsika .

2-Misy famantarana vao ho avy ny farany

Ambaran’i Jesoa mazava  tsara  eto fa hisy famantarana maro hiseho , mialohan’ny hiavian’ny farany . Ny famantarana  dia natao hiomanan’izay mahafantatra ny heviny . Manaiky ho iraka vavolombelon’ny Tompo isika ka miomana sy miambina fatratra ,satria efa miseho  lany etsy sy eroa ireo famantarana  nambaran’i Jesoa . Maharitra amin’ny finoana an’i Jesoa ihany koa isika irany no sady miezaka ny hitory ny Filazantsara amin’ny firenena rehetra . Izay miandrandra ny hiavian’ny Tompo indray dia tsy maintsy miezaka amin’ny fitoriana ny fampielezana ny Filazantsara .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM