Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

Eksodosy  4.19-23
19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao. 20 Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra. 21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. 22 Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely; 23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Eksodosy  4.19-23

Ny iraky ny Tompo

1-Homban’ny heriny

Dingana voalohany amin’ny iraka  nampanaovina  an’i  Mosesy  ny fiverenana indray any Egypta sy ny fifanatrehana amin’i Farao . Tsy navelan’ Andriamanitra  nandeha  amin’ny herin’ny tenany samirery anefa izy  fa nomeny  antoka sy nampombainy ny heriny . Efa  maty  ny olona nifofo ny ainy , asaina mitondra tehina sy manao fahagagana i Mosesy ho fanehoana ny herin’ Andriamanitra  miaraka aminy . Aza matahotra  raha irahin’ny Tompo fa manome antoka fiarovana  sy fombàna hatrany izay manaiky ho irany Izy , indrindra eo  anatrehan’ny  fahavalo  .

2-Mitondra ny teniny

Ankoatra ny fanehoana  ny  herin’ Andriamanitra  eo  anatrehan’i Farao   dia irahina hitondra ny Tenin’ Andriamanitra eo anatrehan’ity mpanjaka olon-dozabe sy mafy fo ity koa izy . Indraindray dia mety tsy hahafaly  ny hafa  na koa  mety hampidi-doza ny teny hampitondrain’ Andriamanitra . Tsy maintsy  hambara  anefa  izany satria ny iraka  dia tsy afaka manova  na manala na manampy  izay teny nampitondraina azy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM