Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
Marka 16.14-20
14 [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy] 15 [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] 16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] 19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] 20 [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Marka 16.14-20
Ny irak’i Jesoa
Anankiray amin’ireo Soratra masina vakin’ny Mpiandry mialohan’ny hanaovana asa sy fampaherezana ity mofonainantsika androany ity . Irahin’ny Tompo ny mino rehetra mba :
1-Handeha any amin’izao tontolo izao :
Fihaonana voalohany teo amin’i Jesoa sy ny mpianatra 11 mirahalahy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty no nitenenan’i Jesoa tamin’izy ireo hoe : « mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ». Izay mino ny fitsanganan’ i Jesoa tamin’ny maty dia tsy mahazo mipetrapetraka foana na mihidy an-trano fa asaina mitsangana , mandeha eny tontolo eny manao ny asa anirahan’ny Tompo azy . Tsy olo-tokana no asaina mitsangana ka miala eo amin’ny toerana misy azy fa ny rehetra . Ny Fiangonana manontolo no irahin’ny Tompo ho eny tontolo eny .
2-Hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra
Mazava ny iraka sy ny antony andehanan’izay rehetra mino dia ny hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra . Tsy hanavahana toerana , tsy hanavahana sokajin’olona noho izany ny asa fitoriana ny Filazantsara fa atao amin’ny olona rehetra . Raha mijoro ho vavolombelon’ny Tompo isika dia manaiky ho iraka hitory ny Filazantsara amin’ny sokajin’olona rehetra sy ny olona manontolo . Iraka tsy mifidy tany malemy hanorenam-pangady na morontsiraka hialana sasatra . Miara-miasa sy manamarina ny asa fitoriana ataontsika ny Tompo . Koa mahereza !
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOBE FJKM