Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
Ezekiela 2.1-3,3
1 [Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho. 2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko] 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Ezekiela 2.1-3,3
Ny iraky ny Tompo
Mpaminanin’ny fahababoana i Ezekiela . Nirahin’ Andriamanitra hitondra hafatra ho an’ireo babo tany Babylona izy . Misongadina eto fa ny iraky ny Tompo dia:
1-Manatanteraka ny baikony
Misy baiko maromaro niantefa tamin’i Ezekiela : mitangana , maniraka anao Aho , hano , mitenena , vokiso ny kibonao … Tenin’ Andriamanitra manana endrika baiko mivantana taminy ireo . Tamin’ireny rehetra ireny dia nanatanteraka ny baikon’ny Tompo i Ezekiela . Tsy mba nametraka fanontaniana na nanana fisalasalana na niady varotra na nitady fanazavana . Izany no modelin’ny iraky ny Tompo : manatanteraka ny baikony tsy misy fisalasalana .
2-Manana andraikitra makadiry
Irahina hiteny amin’ny mpiodina , amin’ny olona tsy mety mihaino , sy mafy handrina ary madi-po sy olona ratsy fanahy ny mpaminany Ezekiela . Mafy sy mety hihatra amana aina izany iraka ampanaovina azy izany kanefa tsy maintsy tanterahiny satria iraka . Tsy atao noho ny safidy fa atao satria baikon’ Andriamanitra ary mety hitera-doza sy ho an’izay anirahana ny tsy fanatanterahana azy . Mampahatsiahy ny fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ny mpamafy ity teny ity (Lio 8.4-15). Nomena andraikitra hampita ny Tenin’Andriamanitra isika irany na hihaino ny olona na tsia .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM