Manaiky  ho vavolombelon’ny  Tompo  ny irany 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Jolay 2017

Manaiky  ho vavolombelon'ny  Tompo  ny irany 

Jaona  17.6-19
6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. 8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy. 9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. 10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. 11 Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] 16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.

Manaiky  ho vavolombelon’ny  Tompo  ny irany 

Jaona  17.6-19

Jesoa iraka  manaiky  ho vavolombelona 

Ny  fifandraisan’i Jesoa  amin’ Andriamanitra  Ray  amin’ny alalan’ny vavaka  no hitantsika eto  . Jesoa no nirahin’ Andriamanitra  ho famonjena  izao tontolo izao  . Ny  tena  vavolombelon’ny Tompo  dia izay  nirahiny   hanao asa , ary rehefa  izany  dia  tsy mijanona  fotsiny  amin’izao fa:

1-Manao tatitra  momba  ny asa nanirahana Azy

Ny  mikasika, satria  izany no baiko  hanirahan’ny Tompo ny  mpianany   no hanaovan’i Jesoa  tatitra  amin’ny  Ray  . Zava-dehibe  tokoa  ny manatanteraka ny asa  fitoriana  ny Filazantsara  sy  ny fanaovana Tafika masina satria izany   no baiko hanirahan’ny  Tompo antsika  . Tsarovy  fa ireny  asa ireny  dia tokony   hanaovana  tatitra  mazava  eo anatrehan’ izay naniraka  antsika . Ka amin’ny alalan’ny vavaka no hanaovana izany  . Ambara  avokoa  ny mombamomba  ireo  olona  izay nanirahana  , ny toetoetran’ny asa  notanterahina  ny  fizotry  ny asa sns… Raha  mijery  tsara  isika  dia hahita  fa hatramin’ny lafin-javatra madinika mihitsy  izany tatitra am-bava nataon’i Jesoa momba  ny asany izany .

2-Mivavaka  ho an’izay  handimby  sy hanohy ny asa

Ireo  mpianatra  ireo no hanohy  ny asa  nataon’i Jesoa  rehefa lasa Izy  . Izany  no nilazany  hoe: »Ary  tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho , fa   izy  ireo no ho eto  amin’izao tontolo izao  » (and11) . Nangataka   tamin’ny Ray Izy ny mba hiarovana azy amin’ny ratsy  sy hanamasinana azy ireo (and 15,17). Ny iraka  vavolombelona  dia mivavaka ho an’izay handimby azy amin’ny asa fanompoana  mba hahavitany bebe kokoa .

Fanontaniana :

Efa nanaovanao  tatitra teo anatrehan’ny  Tompo ve ny asa nanirahany anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM