Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

Efesiana 6.14-20
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara 20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Efesiana 6.14-20

Miaramila tsaran’i Kristy

Miaramila tsaran’i Kristy . Nampiasain’i Paoly izany solon’anarana izany mba hilazany  ny tenany  sy hilazany  izay rehetra voairaka ho  amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara . Ny miaramila tsaran’i Kristy dia:

1-Vonona hiatrika ady mandrakariva

Toy  ny miaramila vonona hiatrika ady no sary hanehoan’i Paoly ny olona manaiky ho iraky ny Tompo eto . Tsy basy aman-tafondro  anefa , na irony  akanjo  fitondra amin’ny ady fahita mahazatra irony no hisalorana sy eny an-tànana fa fahamarinana , rariny , fahavononam-panahy , finoana , famonjena , Tenin’ Andriamanitra . Ireo  no tsy maintsy  ananana raha hamita  iraka amin’ny Anaran’i Jesoa satria   irahina  hiady  amin’ny fanahy ratsy sy ny fahamaizinana mandrakotra izao tontolo izao .

2-Manana fifandraisana amin’ny Tompo mandrakariva

Endriky   ny  fifandraisana mivantana amin’ Andriamanitra ny vavaka sady fiankinana Aminy . Tahaka ny miaramila izay tsy maintsy manana fifandraisana matetika amin’ny lehibe  mpitarika azy no tsy maintsy  ifandraisantsika amin’ny Tompo  izay maniraka antsika . Iraka solon’i Kristy  isika  ka tsy maintsy  mifandray Aminy mandrakariva . Tsy tokony  hadinoina koa fa mila mivavaka  ho an’ireo  iraka namantsika koa isika amin’ny ady izay hatrehany . Maro  amin’ny mpitory ny Filazantsara no miatrika ady mahamay ka mila vavaka ho fampaherezana azy ireny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM