Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
1 Korintiana 8,8 - 13
8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy. 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany? 11 Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo. 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
1 Korintiana 8.8-13
Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo
Tsy mitovy ny fahatanjahan’ny finoana ananan’ny tsirairay : misy ny matanjaka , ary misy koa ny malemy. Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo
1-Amin’ny fiheverana ny hafa(and 12)
Ny kristiana matanja-tsaina , manao azy ho manana fahafahana ka sahy mihinana hena natao sorona ho amin’ny sampy no anarin’ny Apostoly eto .Na dia manam-pahalalana sy olona afaka aza isika dia aoka hihevitra ny hafa. Mety misy zavatra ataontsika , na hanina , na fisotro izay tsy mampaninona antsika , satria madio eritreritra isika , mety misy toerana na fanasana azontsika aleha , satria tsy manameloka antsika ny fieritreretantsika (and8), kanefa aoka hitandrina sao ny fahafahantsika ho tonga fahatafitohinana ho an’ny sasany (and9). « Fa verin’ny fahalalanao ny malemy... »(and11).Ambaran’ny fiheverana ny hafa (and12) . Hoy koa i Jesoa : « fa na zovy na zovy no hanafitohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra ho azy raha anatonana vato lehibe fikosohambary ny vozony , ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy » (Mat 18.6) .
2-Amin’ny fandavantena (and13)
Ambaran’ny Apostoly fa aleo lavitra ny tsy mihinan-kena mandrakizay toy izay hanafitohina ny rahalahiny . Ny fitiavana ny namana dia mitaky fandavantena toy izany .Tsarovy fa ny fanetrentena lalina nasehon’i Jesoa Kristy no nitondra famonjena ho antsika mpanota . Tena fahafoizan-tena tokoa ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo .
Fanontaniana:
Mety amin’ny kristiana ve ny manatrika lanonanana amin’ny famadihan-drazana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM