Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany 

Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny  Tompo ny irany 

2 Samoela 23,1 - 5
1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?

Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany 

 2 Samoela 23.1-5

Ny tombotsoan’izay manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo 

Ambaran’ny Tenin’ Andriamanitra  eto amin’ity  toko ity  fa Davida dia olona voasandratra ho ambony , voahosotr’ Andriamanitra ho ambony  , voahosotr’ Andriamanitra  (and1). Manana tombony  lehibe mihoatra noho ny olona  sasany  ny iraka  izay  manaiky  ho vavolombelon’ny  Tompo  satria :

1-Ny Fanahin’i Jehovah  no mampiteny azy (and2)

Hoy i Davida: »Ny Fanahin’i  Jehovah no  mampiteny  ahy  , ary mametraka ao am-bavako ny teniny (and2-DIEM) .Toy izany koa  ny teny nolazain’i Jesoa raha nitsangana hamaky teny tao amin’ny Synagoga tao Nazareta Izy (Lioka 4.18) . Ny Fanahy Masina  izay  mitoetra ao amintsika no ahafahantsika  manambara  ny hafatry  ny Tompo  ka tsy tokony  hanana fanahiana isika amin’izany .Io nobfanomezana lehibe sy sarobidy  atolotry ny Tompo  ho an’izay  manaiky  hirahiny . Io no Ilay nambaran’i Jesoa hoe: « izay  tsy azon’izao tontolo izao horaisina , satria tsy hitany na fantany , fa ianareo no mahafantatra Azy … » ( Jao 14.17).

2-Jehovah no manao  fanekem-pihavanana aminy 

Ambaran’i Davida fa Andriamanitra  no nanendry azy ho mpanjaka . Nampanjaka  ny fahamarinana sy ny fanajana  an’ Andriamanitra izy ka izany no nahazoany fandresena sy ny zavatsoa rehetra . Ary tsy ho azy ihany fa ho an’ny taranany   koa (and 5). Izay rehetra nomen’ Andriamanitra  fahefana  ka mampiasa  izany  amin’ny fahamarinana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia tsy diso anjara fitahiana avy Aminy amin’izao fiainana izao sy amin’ny ho aviny rehetra . Fa hoy i Jesoa : »katsaho  aloha ny fanajakany sy ny fahamarinany … » (Mat 6.33).

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM