Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

1 Samoela 24.1-8
1 [Ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly, na dia azony tao an-johy aza] Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy. 2 Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy. 3 Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony tany amin'ny vatolampin'ny osi-dia. 4 Ary tonga teo amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy. 5 Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly. 6 Nefa nony efa vita izany, dia namely an'i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny kapôtin'i Saoly, 7 ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy. 8 Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

1 Samoela 24.1-8

Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo

Nentin’ny fialonana  Saoly ka nitady  izay fomba  rehetra hamonoana  an’i Davida . Tena  nirotsaka ho fahavalo mihitsy   izay  tamin’izany  . Ny  fihetsik’i Davida  manoloana  izany   no fianarana  ho antsika :

1-Aza maninji-tànana  amin’ny olom-boahosotr’i Jehovah (and7)

Davida dia  nanome lanja  manokana  ny maha-olom-boahosotra an’i Saoly , na inona na inona fahadisoana  sy hadalany . Nampirisika  azy ny mpanara-dia  taminy   mba hamelezany  azy , saingy  tsy nety izy  . Fa hoy izy  :« sanatria amiko  …fa voahosotr’i Jehovah izy  « (and7). Fianarana ho  antsika fiangonana  izany manoloana  izay heverintsika  ho fahalemena  sy fahadisoan’ny mpitondra sy ny olom-boahosotry ny Tompo . Tsy anjarantsika ny manafay sy mikapoka ireny . Avelao ny Tompo izay nanosotra azy  no hahalala  ny aminy sy izay itondrany azy . Tsy mety amintsika ny mikasi-tànana ny mpanompon’ Andriamanitra . Izany no fijoroana  ho vavolombelon’ny Tompo .

2-Tadiavo  izay  tsy hisian’ny fifamonoana (and8)

Sady  tsy nikasi-tànana an’i Saoly Davida no nanakana ireo mpiara-dia taminy  mba tsy hamely azy . Nifofo ny ain’i Davida anefa i Saoly , fa i Davida kosa niaro ny ain’i Saoly . Tsy azo  atao  ny mitazam-potsiny manoloana ny valifaty sy ny fifamonoana . Anjarantsika ny misakana sy mandresy   lahatra  ny olona tsy ho tafiditra  amin’izany . Ny tena  vavolombelon’ny Tompo   dia mandray andraikitra  ka misakana  izay rehetra mety hiteraka ady sy fifadirana mbamin’ny herisetra rehetra , na inona na inona antony . Avelao  ny  Tompo  no hiady  fa isika  kosa hangina .

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM