Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany
Jaona 1.19-28
19 Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao? 20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy. 21 Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia. 22 Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao? 23 Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany. 24 Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo. 25 Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany? 26 Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo, 27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. 28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania* any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa. [*Na: Betabara]Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Jaona 1.19-28
Ny tena vavolombelona marina
Nampaniraka ny mpisorona ny Levita ny Jiosy hanontany hoe: iza marina moa i Jaona mpanao Batisa?. Ny valiteny nasetriny izany no mampiseho amintsika ny tena vavolombelona marina .
1-Feno fanetrentena
Nambarany fa izy no « feon’ny miantso mafy any anefitra hoe: »ataovy mahitsy ny làlan’i Jehovah » (and23). Na dia nandresy lahatra sy nahataona olona marobe tokoa aza ny asa nataon’i Jaona dia tsy nirehareha tamin’izany izy , na nanora-tena sy nisandoka ho Mesia na mpaminany , fa nanetry tena teo anatrehan’ny Tompo sy ny olona izay nanatrika azy . Manamafy izany ny filazany hoe:« tsy mendrika hamaha ny fehikapany aza aho » (and27b). Matetika rehefa mahavita zavatra lehibe sy igagan’ny maro ny olona , na ny mpanompon’ Andriamanitra sasany , dia alaim-panahy hirehareha sy hihevi-tena ho mahavita azy . Misy aza ny misandoka fotsiny izao ka sahy milaza fa izy no Mesia . Ny tena vavolombelona marina dia manana ny fanahin’ny fanetrentena .
2-Manambara ny amin’i Jesoa
Hoy indrindra Jaona raha nanohy ny valiteniny : »Izaho manao batisa amin’ny rano , fa eto aminareo misy anankiray ,izay tsy fantatrareo dia ilay avy ao aoriako... » . Ny tena iraka vavolombelona dia tsy maintsy manambara an’i Jesoa amin’ny fiainany sy izay rehetra ataony . Tsy ny fitoriana anaram-piangonana no zava-dehibe fa ny fanambarana an’i Jesoa . Izy no ivon’ny toriteny sy ny fanambarana . Izy no ilay ho avy indray ka handray izay mino Azy ho any amin’ny voninahiny mandrakizay .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM