Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Jolay 2017
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
1 Timoty 3.1-7
1 [Ny amin'ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo] 3 tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan*'Andriamanitra?), [* Gr. eklesia] 6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
1 Timoty 3.1-7
Manaiky ho iraky ny Tompo ny Mpitandrina
Misy ireo sokajin’olona nantsoin’ Andriamanitra sy nirahina manokana . Anisan’izany ny Mpitandrina izay voateny manokana eto . Noho izany fiantsoana manokana izany dia itakiana toetra manokana koa izy .
1-Eo amin’ny tenany
Mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra ny Mpitandrina , izany hoe : tsy manara-po fa mahafehy tena amin’izay rehetra ataony . Mitandrina mafy tsy ho tafalatsaka ao anaty fandriky ny fanaranam-po sy ny tsy fahalalana onony izay maniry ny hanao ny asan’ny Mpitandrina satria maro ny fakampanahy mety hitarika azy ho amin’izany .
2-Eo amin’ny ankohonany
Ny ankohonany no Fiangonana kely voalohany hanirahana ny Mpitandrina . Tsy maintsy ho tsara fitondrantena sy tsara laza eo amin’ny ankohonany izy aloha . Tsy andrenesana laza ratsy eo amin’ny fiainam-panambadiany sy ny fitondrana ny ankohonany .
3-Eo amin’ny fiaraha-monina
Tsara laza eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ny Mpitandrina . Irahina eny anivon’ny fiaraha-monina izy ka tsy maintsy miezaka mba ho ray aman-dreny fakan-tahaka amin’ny fitondrantena sy ny atao rehetra . Tsy hoe : olona tsy misy kilema akory izay antsoin’ Andriamanitra hanao ny asan’ny Mpitandrina fa miezaka kosa izy tsy ho azon-tsiny amin’ny famonoana izay hataony .
Fanontaniana :
Moa mba efa nitsiry tao anatinao ve ny hanao ny asan’ny Mpitandrina ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM