Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny Tompo ny irany

Matio  11.2-15
2 Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy 3 hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: 5 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. 6 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko. 7 Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va? 8 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa* va? Indro, ny mitafy soa* dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy] 9 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. 10 Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1). 11 Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. 12 Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny. 13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona. 14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy. 15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Matio  11.2-15

Mitondra famonjena ny iraky ny Tompo

1-I Jaona mpanao batisa , iraka mpialoha làlana

I Jaona no nirahin’ Andriamanitra  ho mpialoha làlana , hanomana ny fandraisana ny Mesia . Nankalazain’i Jesoa Izy noho ny asa nataony . Mbola  hiverina indray ny Tompo ka isika  Fiangonana no irahiny  hanomana ny olona  ho amin’ny fiaviany fanindroany indray . Miasà , ataovy ny asa nanirahan’ny Tompo antsika amin’ny fanomanana ny fiaviany indray , dia ankasitrahan’ Andriamanitra koa isika.

2-Mpianatr’ i Jaona , iraka mahatonga hafatra

Nirahina hitondra hafatra avy amin’i Jaona sy avy amin’i Jesoa ny mpianatr’i Jaona . Nisy fahafoizana tena sy fotoana tao , nisy fivezivezena koa. Tsy ho tonga lafatra raha tsy nahafoy tena sy nahafoy fotoana ireto mpianatra  ireto. Manaiky  ho irak’ Andriamanitra isika fiangonana ka mila mahafoy tena  sy mahafoy fotoana  mba hahatonga ny hafatr’ Andriamanitra ho tafita soa.

3-I Jesoa , iraka mitondra fanantenana sy famonjena

Hafatra mifono fanantenana sy milaza famonjena no valin-kafatra avy tamin’i Jesoa ho an’i Jaona . Izany rahateo no anton’ny nanirahan’Andriamanitra Azy, dia ny hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao sy hamelona fanantenana ho an’ny kivy  sy reraka am-po . Manohy  ny asan’i Jesoa isika Fiangonana ka manaiky ho iraka hitondra famonjena sy hamelona fanantenana ho an’ny mpiara-belona amintsika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM