Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Jolay 2017
Galatiana 1.11-24
11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. 12 Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. 13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [* Gr. eklesia] 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. 15 Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany, 16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho, 17 ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray. 18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro. 19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba*, rahalahin'ny Tompo. [* Na: fa Jakoba kosa] 20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho. 21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho; 22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana* any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [* Gr. eklesia] 23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny . 24 Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Galatiana 1.11-24
Sahia mijoro ho vavolombelon’ny Tompo
1-Iraka vavolombelon’ny fiovampo ao amin’ny Tompo
Vakivava ny amin’ny fiovampon’i Paoly izay rehetra nandre ny lazany tamin’ny fanenjehana ny fivavahana kristiana kanefa tonga mpitory mafana fo an’i Jesoa Kristy (and23) . Hitan’ny olona izany fiovana izany ary voaporofo tamin’ny ezaka anataony . Noho ny fiovam-po dia nanao ny ainy tsy ho zavatra i Paoly , nanao ho zava-dehibe voalohany indrindra teo amin’ny fiainany ny asany ka hitan’ny olona niharihary tokoa izany . Asehoy ho hitan’ny olona ny fiovam-ponao ao amin’ny Tompo .
2-Iraka mitory an’i Kristy
Talohan’ny naha-mpitory ny Filazantsara azy dia mpifikitra tamin’ny fivavahan-drazana sady mpanenjika ny fivavahana kristiana i Paoly. Ny fifanenany tamin’ny Tompo teny an-dàlan’ny Damaskosy no nampiova hevitra tanteraka azy . Tena fiovana tanteraka fa tsy fiovana tamin’ny ampahany na nifono fihatsarambelatsihy . I Kristy no nataony ho ivon’ny fanambarany ary ny fitoriana an’i Kristy no nataony vaindohan-draharaha . Na dia zava-mahamenatra ny Jiosy tahaka azy ny nitory ny amin’ny hazo fijaliana dia tsy nataon’i Paoly ho zava-mahamenatra azy velively izany . Miova hevitra ny olona rehefa tena mifanena amin’ny Tompo .
Fanontaniana :
Rehefa tonga kristiana ianao , inona no mba lazain’ny olona momba anao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM